Tantara n'i Madagasikara

Friday, January 18, 2019

NY FREEMASONS tohiny... Tany Amboalohany.... [FB] by Cotton Wood

Tany amboalohany... nisy lehilahy iray antsoina hoe Lamech izay nanan- janaka roalahy tamin’ ny vadiny iray , ary zanaka lahy fahatelo sy zanakavavy iray tamin’ ny vadiny faharoa. Ireo zanaka Efatra ireo no lasa lehibe ary namorona ny atao hoe Firaomasoa. I Jabal no nahita ny Jeometria sy i Jubal no niketrika ny Mozika voalohany. I Tubal Cain kosa no Mpanefy. Ary I Alas, anabavin ‘ izy ireo no namolavola ny Asa Tanana Rary. Izy Efatra mianadahy día Samy nahita tao anaty nofy fa ny Fahotan’ olombelona día Tena nahatezitra an’ Andriamanitra ka ho valin’ izany dia hisy ny afo na tondra- drano goavana....

Taty aoriana día nisy nahita (1,500 BC) ny soratra teo amin’ ny Andry Roa Goavana izay sisa tavelan’ ny Tondra- drano be, Vato iray antsoina hoe “ Marble” izay tsy ho main’ ny afo. Ny iray kosa hoe “ Lateras” izay tsy mba ho rendriky ny Rano na tondra- drano...

Ireo Andry ireo no voalaza fa fototr’ ilay Tilikambon’ i Babela, izay nitombohan’ ny Firaomasoa satria nankatia izany Asa tsara sy voakaly izany tokoa ny Mpanjakan’ i Babilona nantsoina hoe Hembroth na Nembroth.
Mbola hitohy...
Cotton.

Ny Mpanjakan’i Babylon kosa no nampita ny fampahalalana ny soratra tao anatin’ireo Andry roa goavana ireo tamin’ny Masons 60 izay nalefany tany amin’ny tananan’i Niniva. Tonga tany izy ireo dia niampita ny fahaizana tany Egypt taon-jato iray manaraka, izay lasa fahaizana azon’i Euclid, Matematisianina Grika nonina tao Alexandria.

Nohon’ny fiangaviana mafy nataon’i Farao dia nampianatra ireo zanakin’ny Mpanana sy ambony tao Egypt I Euclid ka ny Siansan’ ny Geometria no nampiasaina tamin’ny Fandalorana ( Masonry) sy ireo fahaizana rehetra mifandray amin’ny Fananganana Lapabe sy Tempoly goavana tao amin’ny tokotaniben’ny Fiangonana. Tsy ny Geometria ihany anefa no nampianarin’i Euclid fa nampianatra koa izy ireo zanaky ny mpanana tao ny Fomba fenekena tsy misy raorao ary fanajana fatratra an’i Farao sy ny Tompo goavana tamin’izany fotoana izany. Nampianatra koa izy ny fomba fiaina miaraka, ny fifanekena anaty Fahamarinana ka tsy tokony hisy intsony ny hoe “ Zanaki-kala-hafa na hoe ity Tompo ary ity Andevo” ka izay rehetra atao dia mitondra amin’ny Fanekena feno izay Tompo goavana tompoina ao.

Na dia taty afaran’ny fotoanan’i Euclid aza dia mbola nanako izany Fampianarana izany, hita tao amin’ny Soratra n’i Reguis ( AD 1390) izay manoro ny Fandaminana amin’ny Mpandalotra ( Masons) sy ny ireo Mpamaky Vato tany Angletera tamin’ny fotoana Mediaval , ny Ratisbon Fitsipika , izay niainan’ireo Masons Allemana maro 70 taona taty aoriana.

Ny Monk Ranulf Higden avy any Chester dia nilaza ny fomba fananganana ilay Tempoly be tao Jerosalema. Hoy izy hoe efa ela taty aoriana ka nantsoina hoe Tany ISRAELY ny tany nisy an’i Davida Mpanjaka , dia nampanamboatra Tempoly izy hoe an’ny ilay tanana Jerosalema. Ka nony maty I David a Mpanjaka dia ny zanany Salomona Mpanjaka no nandimby sy nanatanteraka ilay asan’ny dadany.

Nampitady fanampiana tamin’ny fananganana io tempoly io I Solomona. Ka isan’ izany ry zareo avy ao Tyre izay mpifanolobodirindrina amin’ izy ireo, ary Mpanjaka Hiram no anaran’ny mpanjaka tao. Izy ireo dia nanaiky ny hanampy ka nandefa ireo Hazobe maro izay avy tao amin’ny alan’i Liban. Nanaiky koa I Hiram handefa ny Architects mahay indrindra, izay nianatra ireo masonry tamin’ny firazanana avy amin-dry Lamech. Izay fanampiana izay no nahafahana nanangana ilay tempoly tao.

Araka ny tantara dia nandefa ny zanany lahy antsoina hoe Aynon I Hiram, izay tena goavana tokoa raha amin’ny talenta siansan’i Geometria. Ary izy no nataon’i Mpanjaka Solomona ho lehiben’ny Fananganana ilay tempoly ho an’ireo masons rehetra rehetra tao. Kanefa tamin’izay koa dia nisy zanaka mpandrendrika varahina izay antsoina hoe Hiram Abiff izay noheverina fa nalefan’i Hiram hanao asa any koa. Noho izany dia nifangaro ny anarana sy iza no tena nalefan’i Hiram hitantana ny asa Masonry tao amin’ilay tempoly.

Mbola hitohy.... Cotton Wood.

Ny Freemasons.... Tany Amboalohany. Tohiny faha3
Araka ny tantara dia ilay Mason Tyreanina dia niteny teny hafa fa tsy ny tenin’ireo mpiasa maro tao amin’ ilay fananganana ny tempoly, hany ka nampiasa teny miavaka, sy “ signs” ary fihetsaka mikasika vatana ny fomba fifandraisana tao sy ny masons tao. Raha ny filaza dia mbola ireo signs sy symbols ireo no mbola seho Masonika moderna amin’izao fotoana.

Ny ekipan’i Hiram – Abiff dia nizara ho Vondrona Telo:
- Ny apprentices, Companions ary ny maitres ( masters)
Indray mandeha raha tokony tonga ny fotoana fandoavan-karama dia namonjy ny tempoly izy ireo mba handray karama miaraka amin’ireo “ password” nomena azy ireo avy tamin’i Hiram- Abiff , fa raha tsy manana an’io teny miafiana io dia tsy mahazo karama hono. Betsaka tsy voaisa ny Mpandoa karama sy ny mpiasa tamin’izany. 

Teo amin’ny Andry goavana iray antsoina hoe Jachim no nandoavana ny an’i Apprentices. Ny an’i Companions kosa dia teo amin’ny Boaz , izay andry faharoa lehibe, ary ny an’i Masters dia teo amin’ny efitra afovoany indrindran’ny tempoly. 

Araka ny lovantsofina dia nisy mpiasa Telo tsy tena nety nahay ny asa ary nanao tandrevaka; Jebulas mason sy Jebulos mpandrafitra ary ny mpikirakira amin’ny tanana Jebulem. Naniry mafy ireto mba handray ny antanan-tohatra ambony Maitres nefa tsy vonona izy ireo hanaraka ny lalana takiana mba hahatratra izany. Ka nitady izy ireo hanery an’i Hiram-Abiff hanome izany toerana izany, ka nikotroka hevitra izy ireo dia iray niandry teo amin’ny vavahady telon’ny tempoly. Ny vavahady Atsimo no niandrasan’i Jubelos ka raha iny niditra iny I Hiram-Abiff dia nilaza ny faniriany izy. Nanda anefa I Hiram-Abiff ka avy hatrany dia novelesiny tamin’ilay Fitsipika Vy ny tendan’i Hiram- Abiff. Fa tsy voa tsara izy ka teny amin’ny soroka no tratran’ilay fitaovana. Nihazakazaka haingana I Hiram-Abiff namonjy ny Vavahady Andrefana, kanjo efa niandry tao I Jubelas ary namely azy teo amin’ny tratra tamin’ilay Vy Efajoro. Namonjy nilomay tany amin’ny Vavahady Antsinanana I Hiram fa Maleta mihitsy no natoton’ ilay iray tao ka maty avy hatrany izy.

Ireo zavatra namoana an’i Hiram Abiff ireo dia marika goavana amin’ny symbol n ‘i Freemasons. Ny Vy Fitsipika dia milaza “ precision” , ny Efajoro mira-refy dia ny “ Hitsy sy Marina” ary ny Malet dia ny “ Fahavononana” . 

Ny fahavoazana teo amin’ny tenda dia midika hoe Fiketrahana amin’ny fiainana materialy, ny Fo kosa dia Fiketrahan’ny Fanahy, ary ny farany izay fahatelo dia teo amin’ny handrina ka milaza ny Fiketrahana Fahatsilovana ara-tsaina. 

Ireo Mpamono olona telolahy dia Symbols milaza ny faharatsian’ny fiainana ; ny Lainga, ny Tsy Fahaizana ary ny Fitakiana ao anaty maizina any anaty. I Hiram-Abiff kosa dia mariky ny HAZAVANA.

I Hiram- Abiff dia nomena ny toerana ambony indrindra amin’ny asa Fikirana Mason tao Jerosalema satria maty teo amperinasa izy ary ny hafa kosa dia nanaparitaka ny fahaizany sy nampianatra ny hafa izay efa fahaizana ananan’ny tsirairay avy tany aminy.

Mbola hitohy…. Cotton

0 Comments:

Post a Comment

<< Home