Tantara n'i Madagasikara

Wednesday, December 20, 2006

Fanjakana Telo tany Betsileo

Tamin’ny taonjato faha-18 dia nisy fanjakana telo tany Betsileo dia : Lalangina, Isandra, Vohibato. Samy nahaleotena izy telo mandra-panaikiny ny mpanjakan’ Imerina

- LALANGINA : Ny mpanjaka farany tao dia Andriambavizanaka izay nanaiky ho “zanak’ Andrianampoinimerina” nefa nesorina tamin’ny maha-Andriana azy mandra-pahafatiny tamin’ny andron-dRanavalona I. Andriambavizanaka dia nandimby ny rainy natao hoe Randriantsara.

Randriatsara dia nampikambana an’i Vohibato sy Tsienimparihy tamin’ i Lalangina. Nikomy anefa i Vohibato ary maty tamin’izany Randriantsara. Talohan’io mpajaka io dia efa nahay nanao lakan-drano sy nitatatra ny honahona hambolem-bary ny mponina, ary nampiasa angady tamin’ny asan-tanimbary.

- ISANDRA : Andriamanalimbetany na Andriamanalinarivo no mpanjaka nalaza indrindra tany Isandra. Zoadahin-dRandriatsara izy. Ireto no nampahalaza an’ Andriamanalina I :

- Tsy mba namarina andevo izy fa lamba landy sy lamba sarika ( natao tamin’ny ratin’akondro ) ary vary sy akondro no namidiny hahazaoana basy, vanja, fitafiana.

- Niadana ny mponina ka niezaka tamin’ny fiompiana omby sy fambolena vary, paraky, akondro.

- Nataony izay hahamendrika ny renivohitra, dia Mahazoarivo, ka nasainy nanaovana lalao isaky ny misy lanonam-panjakana .

Rehefa maty Andriamanalinarivo, dia « Latsa-bato an-tànana » ny mpandimby azy. Koa Andriamanalina III, zafiny, dia nanoa an’Andrana-mpoinimerina rehefa notaomin’Andriamanalimbetsileo, mpanjakan’ny Vakinankaratra hanao izany .

- VOHIBATO : Ramarovahoaka, vinanton’ Andrimanalinbetany, no nampisaraka an’i Vohibato tamin’ny Lalangina.

Ireo zanany roalahy nandimby azy dia tsy nety nisaona an’Andriana-mpoinimerina,

dia izy mbamin’ny vahoakany. Koa dia tezitra Radama. « Hataoko mahita ahy izy, hoy izy, raha tsy nahita an’i Dada » Nafana ny fanoheran’i Vohibato. Tao ifandanana dia naleon’ny Betsileo niajera tamin’ny haram-bato toy izay hitolobatana amin’ny Hova.

Nony resy Vohibato dia tapitra nanaiky an-dRadama Betsileo tontolo. Fokomaromaro niady an-trano matetika no tany Betsileo mandra-piorin’ny fanjakana telo nalaza : dia Lalangina sy Isandra ary Vohibato mpianakavy ny mpanjaka tamin’ireo faritany telo ireo Ny malaza indrindra dia Isandra tamin’ny andron’i Andriamanalinarivo tamin’ny taonjato faha-18 .

Tamin’ny andron’i ANDRIAMANALINARIVO SY RANDRIANTSARA dia tapa-kevitra hanafika an-dRandriatsara Andriamanalinarivo, Ary niditra ny kianjan' i Mahazoarivo hihira Rafasimbolamena vadin’ Andriamanalina sady anabavin-dRandriantsara. Ary tsy hiram-pandresena no nataony fa ny hoe : « Ny basin’Isandra aoka tsy hipoaka. Ny lefon' i Lalanngina aoka tsy hahavoa, » Nirary izy mba tsy hisy ady amin' izy miaotra satria samy tiany na ny vadiny na ny anadahiny.

Tohina Andriamanalinarivo nony nandre izany hira izany ka najanony ny fikasany ary nasainy nanatona azy Randriantsara mba hanao fatidrà aminy. Kanefa noho ny hambom-pony, dia naliny ny elomenan’ny zaodahiny ho mariky ny fiamboniany.

IREO NAMPALAZA NY TANY BETSILEO TEO AMIN’NY ASAN-TANANA hatr’izay dia efa ela no nahaizan’ny Betsileo nanefy vy ary fatratra ny hakingany nanao “mesa” sy « salaza » famaky sy lefona ary mafy sy maranitra tokoa ireo fiasana ireo. Hainy hatramin’ny nanisy takela-barahina amin' ny tahon-defona. Tsara ny tefy vilany. amoly sy nanenona landihazo, rofia, sarika, hafotra ny vahivavy .

Tsihy sy hafotra no natao Fitafiana. Ny lehilahy sy ny vehivavy moa dia samy nitafy lamba avokoa, ny lehilahy dia nisatroka penjy, Fa ny tena nanavanana ny Betsileo dia ny sokitra ary itikatra no mahagaga : ny sarintsokitra dia misy itovizany amin’ny hita any Polinezia. Ny sotro hazo na sotro tandroka, ny vilia hazo dia samy voasokitra, tsara endrika, malambolambo, misy haingo mahafinaritra.

Koa hitatsika amin’izany aza fa nanana ny fandrosoany avokoa isika teto madagasi-kara sy ny fiarovana ny soa ho an’ny vahoaka Ary dia mbola malaza sy hitatsika any izany.

Toy izay indray ary ny tantara narindra ho anao androany izay tsapa fa manana ny maha izy azy isika Malagasy eran’ny Nosy ny Madagasikara

Mandra pitafa indray sy mirary fahombiazana sy fahasoavana ho antsika rehetra hatsiaron’ ny mendrika sy soa ho an’ny firenena koa dia samy ho ela velona samy ho finaritra .

Rabesata Arima